Tongasoa eto amin' ny Tantara Radio. Onjam-peo malagasy voalohany natokana hoan' ny tantara am-peo malagasy indray miseho. Ahenoinao karazana tantara maro mampihetsim-po, mampitaintaina, mampitahotra, mampihomehy, sns. Onjam-peo azonao henoina @ alalan'ny aterineto na webradio. Afaka henoinao na aiza na aiza misy anao, na ao an-trano, na eny ankalamanjana, na anaty fiara, na anaty sambo, sns..rehefa toerana misy connexion Internet. Noho izany Mahatakatra na eto Madagasikara na any ivelany. Tsy manadany "mega" nefa mazava tsara sy madio tsara ny feo. Kely dia kely, 35 Mo isan' ora eo monja no data Internet ilainao. Tsy manadany batterie ihany koa izy raha henoinao amin'ny finday ary afaka mitohy mandeha na mipika aza ny écran findainao.